Leviticus 19:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mandry amin’ny andevovavy izay efa voafofon’olona ho vadiny ka tsy voaavotra na voavotsotra ho olona afaka Ravehivavy dia hofaizina izy roa nefa tsy hovonoina satria tsy olona afaka Ravehivavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy lehilahy mandry sy miray amim-behivavy andevon’olona ka efa voafofon-dehilahy hafa, nefa mbola tsy voaavotra na afaka, dia hofaizina izy roaroa, nefa tsy hoheloin-ko faty, satria tsy olona afaka ravehivavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy lehilahy miray amina vehivavy mpanompo izay voafofon’olon-kafa ho vadiny, nefa mbola tsy voaavotra na voavotsotra ho olona afaka, dia handoa onitra izany lehilahy izany; saingy tsy hohelohina ho faty izy roroa satria tsy olona afaka ravehivavy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mandry amin’ny andevovavy izay efa voafofon’olona ho vadiny ka tsy voaavotra na voavotsotra ho olona afaka Ravehivavy dia hofaizina izy roa nefa tsy hovonoina satria tsy olona afaka Ravehivavy.
malagasy