Leviticus 19:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoentin-dRalehilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ho sazin’ny fahotana dia hoentin-dralehilahy amin’i Iaveh ny ondralahy iray eo anoloan’ny trano lay fihaonana hatao sorona fanonerana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy koa sorom-panorenana amiko TOMPO hoentin-dralehilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, dia ny ondrilahy anankiray fanao sorom-panonerana.
Malagasy Bible 1865
Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoentin-dRalehilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ny fanati-panonerany ho an’NY TOMPO, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
malagasy
Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;