Leviticus 19:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na mitady saina amin’ny mpanandro hampahaloto anareo aminy: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza manatona an’izay mpamoha angatra na mpisikidy, aza maka hevitra aminy, mba tsy ho voalotony ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Aza mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay olona tsindrian-javatra. Aza maka hevitra aminy fandrao voalotony ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na mitady saina amin’ny mpanandro hampahaloto anareo aminy: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
malagasy
Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.