Leviticus 19:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa izay mihinana azy io dia ho meloka satria nanamavo ny zava-masin’NY TOMPO izy ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izany olona izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izay mihinana azy amin’izany, dia hilonjy ny helony, fa mametaveta ny zava-boahasina ho an’i Iaveh, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay mihinana azy amin’izany, dia itambesaran-keloka satria manamavo ny zavatra voatokana ho Ahy TOMPO; ka dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izany olona izany.
Malagasy Bible 1865
fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa izay mihinana azy io dia ho meloka satria nanamavo ny zava-masin’NY TOMPO izy ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izany olona izany.
malagasy
fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany.