Leviticus 2:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO dia koba tsara toto no hataony fanatitra ary handraraka diloilo sy hanisy ditin-kazo manitra eo amboniny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO dia koba tsara toto no hataony fanatitra ary handraraka diloilo sy hanisy ditin-kazo manitra eo amboniny izy.
malagasy
[Ny fanatitra hohanina] Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.