Leviticus 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay atolotrareo ho an’NY TOMPO dia aza asiana masirasira; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hakanareo hodorana ho fofona ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny fanatitra rehetra, izay atolotrao ho an’ny TOMPO, dia aza misy haroina leviora; fa ny leviora sy ny tantely dia samy tsy ho azonareo dorana hanetona, ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry rehetra izay atolotrareo ho an’NY TOMPO dia aza asiana masirasira; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hakanareo hodorana ho fofona ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy