Leviticus 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy asio sira avokoa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao rehetra; ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao; fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.