Leviticus 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hodoran’ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny lango sy avy amin’ny diloilo ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sasany amin’ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hodoran’ny mpisorona hanetona ny fanati-pahatsiarovana, dia ny ampahan’ny lango voararaka menaka sy ny ditin-kazo manitra manontolo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.»
Malagasy Bible 1865
Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hodoran’ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny lango sy avy amin’ny diloilo ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.
malagasy
Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.