Leviticus 2:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny fanendasa-mofo ianao dia aoka ho mofo tsy misy masirasira vita amin’ny koba tsara toto sady voaharo diloilo, miampy mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha zavatra endin-dafaoro no atolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin’ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin’ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny fanendasa-mofo ianao dia aoka ho mofo tsy misy masirasira vita amin’ny koba tsara toto sady voaharo diloilo, miampy mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo.
malagasy