Leviticus 2:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny lapoaly no fanatitrao dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ary raha mofo endin-dapoaly no atolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, tsy misy lalivay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa fanatitra voaendy amin’ny takela-by no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra sady voahoso-menaka no tsy misy leviora.
Malagasy Bible 1865
Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry voaendy tamin’ny lapoaly no fanatitrao dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
malagasy
Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.