Leviticus 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry nahandroina tamin’ny vilany no atolotrao dia koba tsara toto asiana diloilo no atao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mofo mamy nandrahoina tamin’ny kasirôlina no atolotrao ho fanatitra dia hatao amin’ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Rehefa fanatitra voahandro amin’ny lapoaly no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra voaharo menaka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry nahandroina tamin’ny vilany no atolotrao dia koba tsara toto asiana diloilo no atao.
malagasy
Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.