Leviticus 2:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ny mpisorona ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Havahan’ny mpisorona izay tsy maintsy aterina ho fahatsiarovana, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanavaka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’izany izy ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ny mpisorona ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, izany.
malagasy