Leviticus 20:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy lehilahy manambady ny anabaviny na zanakavavin’ny rainy na zanakavavin’ny reniny ka mahita ny fitanjahany ary Ravehivavy koa dia mahita ny fitanjahany dia zava-dratsy izany ka hesorina eo imason’ny fireneny izy roa; fa nandry tamin’ny anabaviny Ralehilahy ka meloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanaka vavin-drainy, na zanaka vavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, ravehivavy koa nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason’ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan’ny anabaviny, ka hilonjy ny helony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy lehilahy manambady anabavy zanakavavy nentin-drainy na nentin-dreniny, ka miray tokoa izy roroa, dia zavatra mahamenatra izany; eo imason’ny mpiray firenena aminy no hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy roroa, satria niray tamin’ny anabaviny ralehilahy ka itambesaran-keloka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy lehilahy manambady ny anabaviny na zanakavavin’ny rainy na zanakavavin’ny reniny ka mahita ny fitanjahany ary Ravehivavy koa dia mahita ny fitanjahany dia zava-dratsy izany ka hesorina eo imason’ny fireneny izy roa; fa nandry tamin’ny anabaviny Ralehilahy ka meloka.
malagasy