Leviticus 20:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolany ary Ravehivavy nampiseho ny fitanjahany ka nampisokatra ny fandehanan’ny rany dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy lehilahy mandry amim-behivavy mararin’ny fadim-bolana ka manokatra ny fitanjahany, dia nanokatra ny fandehanan’ny rany izy, ary hofongorana amin’ny fireneny izy roaroa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy lehilahy mandry sy miray amin’ny vehivavy mararin’ny fadimbolany, dia nifanaraka hampihanjahanja ny ipoiran’ny ran-dravehivavy izy roroa, ka samy hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy lehilahy mandry amin’ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolany ary Ravehivavy nampiseho ny fitanjahany ka nampisokatra ny fandehanan’ny rany dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy roa.
malagasy