Leviticus 20:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza, na amin’ny Zanak’Israely na amin’ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho sorona ho an’i Moloka dia hovonoina ho faty; ny vahoaka eo an-toerana no hitora-bato azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazao amin’ny zanak’i Israely: Na zovy na zovy amin’ny zanak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely, manolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, dia hoheloin-ko faty, ka hotorahin’ny vahoaka tompon-tany vato.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazao amin’ny Israelita. Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra ny iray amin’ny zanany ho sorona amin’ny sampy Môlôka, dia hatao maty tokoa; ka torabato no hamonoan’ny mponina tompontany azy.
Malagasy Bible 1865
Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.