Leviticus 20:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Handova ny taniny ianareo satria Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa voalazako taminareo fa ianareo no handova ny tanin’ireny; homeko anareo hanananareo azy, ary tany tondra-dronono aman-tantely izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nahatonga Ahy hilaza aminareo hoe: ‹Ianareo no handova ny tany, ary Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely!› Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin'ny firenena samy hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Handova ny taniny ianareo satria Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa.
malagasy