Leviticus 20:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hifanandrina amin’izany olona izany ny tavako ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy satria nisy natolony ho an’i Moloka ny zanany mba handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, handoto ny fitoerako masina, sy hanavetaveta ny Anarako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy satria natolony ho sorona tamin’i Môlôka ny iray amin’ny zanany; izany no andotoana ny Toeramasina onenako sy analam-baràka ny anarako masina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an'i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an'i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.