Leviticus 20:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hifanandrina amin’io olona io sy ny ankohonany ny tavako ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hanandrina izany olona izany mbamin’ny fianakaviany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an’i Môlôka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy mbamin’ireo nanaraka azy hanompo ny sampy Môlôka.
Malagasy Bible 1865
dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hifanandrina amin’io olona io sy ny ankohonany ny tavako ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka.
malagasy
dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.