Leviticus 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona izay mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na izay mpanandro ka hijangajanga hanaraka azy dia hifanandrina aminy ny tavako ka hesoriko tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay tsindrian-javatra ka hanao fombafomba fanompoan-tsampy dia hohandriniko izy ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin'ny fireneny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona izay mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na izay mpanandro ka hijangajanga hanaraka azy dia hifanandrina aminy ny tavako ka hesoriko tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
malagasy