Leviticus 21:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona hoe: Aoka ny mpisorona tsy handoto ny tenany amin’izay maty amin’ny mpiray firenena aminy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Mitenena amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna ka lazao azy ireo hoe: «Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin’ny fireneny,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny mpisorona, zanakalahin’i Aharôna hoe: «Aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin’ny fikasihana ny fatin’olona anisan’ny fianakaviany,
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona hoe: Aoka ny mpisorona tsy handoto ny tenany amin’izay maty amin’ny mpiray firenena aminy,
malagasy
[Lalàna ny amin'ny fahamasinan'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,