Leviticus 21:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Mpisoronabe izay nalaina tamin’ny rahalahiny ka nandrarahana ny diloilo fanosorana ny lohany sady natokana mba hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny mpisorona lehibe izay ambonin’ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny mpisorombe no filohan’ireo mpisorona rahalahiny. Nandrarahana ny menaka fanosorana teo an-dohany izy ka manan-jo hitafy ny fanamiana masina. Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany,
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Mpisoronabe* izay nalaina tamin’ny rahalahiny ka nandrarahana ny diloilo fanosorana ny lohany sady natokana mba hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany.
malagasy
Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.