Leviticus 22:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy zanakavavin’ny mpisorona ka maty vady na efa nisara-bady, nefa tsy manan-janaka ary mody any an-tranon’ny rainy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny sakafon’ny rainy ihany izy; nefa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha maty vady na voasaotra tsy mbola niteraka, ny zanaka vavin’ny mpisorona, ka mody any an-tranon-drainy, toy ny fony mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy; fa ny olon-kafa tsy hihinana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha maty vady na nariam-bady na tsy nanan-janaka ilay zanakavavin’ny mpisorona ka mody ao an-tranon-dray toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy. Ankoatra ireo, ny Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona dia aoka tsy hisy hihinana zava-masina.
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy zanakavavin'ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy zanakavavin’ny mpisorona ka maty vady na efa nisara-bady, nefa tsy manan-janaka ary mody any an-tranon’ny rainy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny sakafon’ny rainy ihany izy; nefa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
malagasy