Leviticus 22:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena amin’i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’Israely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo amin’ny Israely no manolotra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo, izay hatolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mbamin’ny zanak’i Israely rehetra, ka lazao aminy hoe: Na zovy na zovy amin’ny zanak’i Israely, na amin’ny vahiny eo amin’i Israely manatitra ny fanatiny, na ho fanalam-boady, na ho fanomezana an-tsitrapo, ka hateriny amin’i Iaveh ho sorona dorana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hamepetra an’i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny Israelita hoe: «Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, te hanatitra zavatra amiko TOMPO ho sorona dorana manontolo mba ho fanalàm- boady na ho fanomezana an-tsitrapo, dia izao no hataony:
Malagasy Bible 1865
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena amin’i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’Israely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo amin’ny Israely no manolotra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo, izay hatolony ho an’NY TOMPO ho fanatitra dorana manontolo,
malagasy