Leviticus 22:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany mba hitandremany ny amin’ny tsy hikasihany ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho Ahy mba tsy hanamavoany ny anarako masina. Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mba hifadiany ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho Ahy sy tsy hanamavoany ny Anarako masina. Izaho no Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Lazao amin’i Aharôna sy ny zanany fa misy anton-javatra tsy maintsy hifadiany ny zava-masina atokan’ny Israelita ho Ahy, mba tsy hanalany baràka ny anarako masina. Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany mba hitandremany ny amin’ny tsy hikasihany ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho Ahy mba tsy hanamavoany ny anarako masina. Izaho no TOMPO.
malagasy
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho no Jehovah.