Leviticus 22:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy manolotra fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO, na ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo na omby izany na ondry na osy, dia izay tsara tsy misy kilema na kely akory aza no hatolony mba hankasitrahana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona manatitra biby fiompy vaventy na madinika amin’i Iaveh, hatao sorom-pihavanana, na ho fanalam-boady izany, na ho fanomezana an-tsitrapo, dia tsy maintsy ho tsara mihitsy ny hatao sorona mba hankasitrahana azy, tsy tokony hanan-kilema akory izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy olona manatitra omby na ondry na osy amiko TOMPO ho sorom-pihavanana mba ho fanalàm-boady na ho fanomezana an-tsitrapo, dia biby tsy misy kilema na kely akory aza no aoka hateriny mba hahazoany sitraka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy manolotra fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO, na ho fanatitra hanalany voady na ho fanatitra an-tsitrapo na omby izany na ondry na osy, dia izay tsara tsy misy kilema na kely akory aza no hatolony mba hankasitrahana azy.
malagasy