Leviticus 22:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy omby na ondry na osy vao teraka dia hitoetra amin’ny reniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra dia hankasitrahana izy raha atao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Na omby, na ondry, na osy, raha vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy, fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra, vao hankasitrahina ny hanaterana azy ho sorona hatao amin’ny afo amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy omby na ondry na osy vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny mandritra ny fito andro izy; fa manomboka amin’ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hahazoana sitraka izy raha atao sorona levonina amin’ny afo ho AHY.
Malagasy Bible 1865
Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin'ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy omby na ondry na osy vao teraka dia hitoetra amin’ny reniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra dia hankasitrahana izy raha atao fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy