Leviticus 22:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, nefa manakaiky ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho eo anatrehako. Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao aminy hoe: Ny olona rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izay mbola manam-pahalotoana ao aminy, nefa manakaiky ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia hofongorana eo anatrehako. Izaho no Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka lazao azy mianakavy hoe: «Hatrany hatrany, izay lehilahy rehetra anisan’ny taranakareo, ka mbola manam- pahalotoana izy no manatona ny zava-masina atokan’ny Israelita ho AHY, dia hoesorina tsy hanompo eo anatrehako intsony. Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin'ny zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ny zanakareo, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, nefa manakaiky ireo zava-masina izay hamasinin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho eo anatrehako. Izaho no TOMPO.
malagasy