Leviticus 22:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza manamavo ny anarako masina fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Israely Aho. Izaho TOMPO
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza manevateva ny Anarako masina, fa hohamasinina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho. Izaho no Iaveh manamasina anareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza manala baràka ny anarako masina, mba hanajana Ahy ho masina eo amin’ny Israelita. Izaho no TOMPO, Izay manokana anareo ho vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza manamavo ny anarako masina fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Israely Aho. Izaho TOMPO
malagasy
Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho Jehovah,Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo; Izaho no Jehovah.