Leviticus 23:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo hatao fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary ny fanatitra aidina miaraka aminy dia divay ampahefatry ny hina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fanatitra hampombaina an’io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilo, ho fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanatitra vokatry ny tany hampombaina io sorona io kosa dia koba lafarinina tsara milanja enina kilao, voadity tamin’ny menaka, ka hatao fanatitra levonina amin’ny afo mba ho hanitra ankasitrahiko; ary ny fanatitra araraka dia divay iray litatra sy sasany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo hatao fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary ny fanatitra aidina miaraka aminy dia divay ampahefatry ny hina*.
malagasy
Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.