Leviticus 23:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mihinana mofo na lango na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin’izany andro izany mandra-pitondrànareo ny fanatitra ho an’ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’ny tany rehetra honenanareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Alohan’izany andro hitondranareo ny amboaram-bary ho fanatitra ho Ahy Andriamanitrareo izany, dia aza mbola misy ihinanana ny mofo na lango na voambary avy amin’ny vokatra vao niakatra: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mihinana mofo na lango na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.
malagasy