Leviticus 23:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manisà herinandro fito ho anareo, manomboka ny ampitson’ny Sabata ka hatramin’izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra asandratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Manisà fito herinandro ianareo, miantomboka amin’io ampitson’ny sabata io, izany hoe miantomboka amin’ilay andro nitondranareo ny amboaram-bary voalohany ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ho fito herinandro mipaka izany;
Malagasy Bible 1865
Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manisà herinandro fito ho anareo, manomboka ny ampitson’ny Sabata* ka hatramin’izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra asandratra.
malagasy
Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.