Leviticus 23:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia manolora zanak’ondrilahy fito tsy misy kilema, iray taona avy, miaraka amin’ny mofo sy vantotra ombilahy iray ary ondrilahy roa. Hatao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo amin’i Iaveh ho sorona dorana dia zanak’ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr’ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin’ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo koa dia zanakondrilahy fito tsy misy kilema samy iray taona, sy ombilahy iray ary ondrilahy roa mba hatao sorona dorana manontolo ho AHY; ho sorona levonina amin’ny afo ireo mba ho hanitra ankasitrahina ho AHY, sady hampombaina izany ny fanatitra vokatry ny tany sy ny fanatitra araraka.
Malagasy Bible 1865
Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia manolora zanak’ondrilahy fito tsy misy kilema, iray taona avy, miaraka amin’ny mofo sy vantotra ombilahy iray ary ondrilahy roa. Hatao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
malagasy