Leviticus 23:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ambarao ho fivoriana io andro io ka manaova fivoriana masina ary aza manao raharaha fanompoana. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ambarao ho fivoriana io andro io ka manaova fivoriana masina ary aza manao raharaha fanompoana. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.
malagasy