Leviticus 23:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo dia aza jinjaina avokoa ny eny an-tsisiny ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao fa avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nijinja ny vokatrareo ianareo any amin’ny taninareo, aza dia jinjaina hatrany an-tsisiny indrindra ny sahanareo, ary aza dia fakoina amin’ny vokatrareo ny hotsimponin’ny hafa, fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjaina ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin’ny hafa amin’ny vokatrareo, fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo dia aza jinjaina avokoa ny eny an-tsisiny ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao fa avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
malagasy