Leviticus 23:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; amin’io no hitsofana trompetra ho fampahatsiarovana ny fivoriana masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Amin’ny volana fahafito, andro voalohan’ny volana, dia hisy fitsaharana lehibe ho anareo, hantsoina amin’ny feon’ny anjomara, fivoriana masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny andro voalohan’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany ka hihobianareo Ahy mba hahatsiarovako anareo.
Malagasy Bible 1865
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; amin’io no hitsofana trompetra ho fampahatsiarovana ny fivoriana masina.
malagasy
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.