Leviticus 23:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany no Andro Fanavotana Lehibe. Hisy fivoriana masina ho anareo; hifady hanina ianareo ka hanatitra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny fanonerana; hanao fivoriana masina ianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny andro fahafolon’ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelàn-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany no Andro Fanavotana Lehibe. Hisy fivoriana masina ho anareo; hifady hanina ianareo ka hanatitra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy