Leviticus 23:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho Sabata izany, tena andro fitsaharana ho anareo ary hifady hanina ianareo; amin’ny andro fahasivy amin’ny volana, rehefa hariva, manomboka ny hariva ka hatramin’ny ampitso hariva no hitandremanareo ny Sabata, andro fitsaharanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sabata ho anareo izany, fitsaharana amin’ny asa rehetra, ary hampijaly tena ianareo. Ny andro fahasivin’ny volana amin’ny hariva, hatramin’ny harivan’iny ka hatramin’ny ampitso dia hitandrina ny sabatanareo ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tena fitsaharana ho anareo io andro io, ary hifadianareo hanina; miantomboka amin’ny harivan’ny andro fahasivin’ny volana ka miafara amin’ny ampitso hariva no hitandremanareo io fitsaharanareo io.»
Malagasy Bible 1865
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho Sabata* izany, tena andro fitsaharana ho anareo ary hifady hanina ianareo; amin’ny andro fahasivy amin’ny volana, rehefa hariva, manomboka ny hariva ka hatramin’ny ampitso hariva no hitandremanareo ny Sabata, andro fitsaharanareo.
malagasy
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.