Leviticus 23:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hafitoana no hanoloranareo fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa ka hanolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ianareo; andro fivoriana masina izany, koa aza manao raharaha fanompoana ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’andro, mandritra ireo fito andro ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ny andro fahavalo dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo ka mbola hanateranareo sorona levonina amin’ny afo koa ho AHY; andro lehibe famaranana ny fankalazana izany, ka aza anaovana ny raharaha andavanandro.
Malagasy Bible 1865
Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hafitoana no hanoloranareo fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa ka hanolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ianareo; andro fivoriana masina izany, koa aza manao raharaha fanompoana ianareo.
malagasy