Leviticus 23:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ka hantsoinareo hoe: Fivoriana masina, hanolorana fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary fanatitra hafa alatsa-dra sy fanatitra aidina, samy amin’ny fotoanany avy izy rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ireo no fetin’i Iaveh hantsoinareo hanaovana fivoriana masina, hanaterana amin’i Iaveh sorona atao amin’ny afo, sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka, samy amin’ny fotoany avy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ireo àry no fankalazana manetriketrika naraikitro, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo sy hanateranareo sorona levonina amin’ny afo ho AHY, dia sorona dorana manontolo ombàn’ny fanatitra vokatry ny tany, na sorom-pihavanana ombàn’ny fanatitra araraka, samy amin’ny fotoanandrony avy.
Malagasy Bible 1865
Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ka hantsoinareo hoe: Fivoriana masina, hanolorana fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary fanatitra hafa alatsa-dra sy fanatitra aidina, samy amin’ny fotoanany avy izy rehetra,
malagasy