Leviticus 23:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, rehefa manangona ny zavamaniry ianareo dia tandremo ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo koa dia andro fitsaharana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito, rehefa manangona ny vokatry ny tany ianareo dia hankalaza ny fetin’i Iaveh, mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany ho fitsaharana lehibe, ny andro fahavalo koa ho fitsaharana lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ny vokatry ny tany, dia hanao fankalazana ianareo, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro; ka ny andro voalohany sy fahavalo dia ho andro fitsaharana.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, rehefa manangona ny zavamaniry ianareo dia tandremo ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo koa dia andro fitsaharana.
malagasy