Leviticus 23:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampana palma sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; ary mifalia mandritra ny hafitoana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro voalohany haka voan’ny hazo tsara tarehy ianareo, sampan-drofia, rantsan’ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatreo amin’ny andro voalohany, dia haka izay voankazo tsara indrindra sy sampan-drofia ary rantsan’ny hazo mikirindro na rantsan’ny hazo malahelo eny amoron-drenirano ianareo, ka haneho hafaliana mandritra ny fito andro eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampana palma sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; ary mifalia mandritra ny hafitoana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
malagasy