Leviticus 23:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, hafitoana isan-taona. Ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby io; amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an’i Iaveh, lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany; amin’ny volana fahafito no hanaovanareo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hankalazainareo isan-taona izany, mandritra ny fito andro amin’ny volana fahafito, ho fanajana AHY: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, hafitoana isan-taona. Ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby io; amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
malagasy