Leviticus 23:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»
Malagasy Bible 1865
fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo.
malagasy
fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.