Leviticus 24:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy zanaka lahin’ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejiptianina, nankeo afovoan’ny zanak’i Israely; ary nifampila akisa teo an-toby ny zanaka lahin’ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin’ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selômita, zanakavavin’i Dibrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana. Vao mby teo amin’ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ka nentina tany amin’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io.
malagasy
[Ny amin'ny fampijaliana izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah mbamin'ny valin'ny famonoana] Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.