Leviticus 24:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay miteny ratsy ny anaran’NY TOMPO dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo; na vahiny na tompon-tany, izay miteny ratsy ny anarana, dia hovonoina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary izay manevateva ny Anaran’i Iaveh, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rehefa manevateva ny Anarana masina, dia ho faty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izay manevateva ny anaran’ny TOMPO, dia hatao maty tokoa: hamono azy amin-torabato ny Israelita rehetra tafangona. Na vahiny izy na tompontany, rehefa manevateva ny anaran’Andriamanitra, dia hatao maty tokoa.
Malagasy Bible 1865
Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay miteny ratsy ny anaran’NY TOMPO dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo; na vahiny na tompon-tany, izay miteny ratsy ny anarana, dia hovonoina.
malagasy
Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.