Leviticus 24:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy dia navoakany teny ivelan’ny toby ilay niteny ratsy ka notoraham-bato. Dia nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony voalazan’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany, dia navoakan’izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny Israelita izany, dia nanao araka izay didy nomen’ny TOMPO an’i Mosesy ireo: navoakany tany ivelan’ny toby ilay lehilahy niteny ratsy an’Andriamanitra, ka novonoiny tamin-torabato.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy dia navoakany teny ivelan’ny toby ilay niteny ratsy ka notoraham-bato. Dia nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.