Leviticus 24:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Aarôna no hamboatra azy, eo ivelan’ny efitra lamba, anoloan’ny vavolombelona, ao an-trano lay fihaonana, mba hirehetany lalandava eo anatrehan’i Iaveh, hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao anatin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan’i Aharôna ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.
Malagasy Bible 1865
Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana* no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.
malagasy
Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.