Leviticus 24:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halahany eo amin’ny fanaovan-jiro volamena madio ny lalampy eo anatrehan’i Iaveh lalandava.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo ambonin’io fitoeran-jiro volamena madio io no hametrahan’i Aharôna ireo jiro izay hirehitra tontolo alina eo anatrehako.
Malagasy Bible 1865
Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo amin’ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo no hametrahany ny jiro mba hirehitra mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.