Leviticus 24:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Asio ditin-kazo manitra madio ny toerana tsirairay, koa aoka ho eo amin’ny mofo izany mba ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hasianao emboka madio eo ambonin’ny isan’antontany avy, ho fahatsiarovana, eo amin’ny mofo atolotra amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin’ny isan’antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon’ny mofo ka holevonina amin’ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.
Malagasy Bible 1865
Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Asio ditin-kazo manitra madio ny toerana tsirairay, koa aoka ho eo amin’ny mofo izany mba ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.