Leviticus 24:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho an’i Arona sy ireo zanany ireo mofo ireo ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; zavatra tena masina ho an’ny mpisorona ireo, avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo; lalàna maharitra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho anjaran’i Aarôna sy ny zanany ireo; ary eo amin’izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany, amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Lalàna maharitra lalandava izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»
Malagasy Bible 1865
Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho an’i Arona sy ireo zanany ireo mofo ireo ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; zavatra tena masina ho an’ny mpisorona ireo, avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo; lalàna maharitra izany.
malagasy
Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.